<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Voice of Praise</author>
<hymn_number>83</hymn_number>
<title>Ry Jeso o! Hianao no mahavonjy FFPM83</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Jeso ô ! Hianao no
 mahavonjy
 Izay rehetra hiankina aminao ;
 Tonga tatý hitady sy hamonjy
 Izay mpanota very Hianao.
 He ! ry mpanota very atý !
 Ô ! mankanesa ho any aminy.

[V2]
 Na dia Zana-Janahary aza,
 Na dia Tompo aza Hianao,
 Tsy mba nitandro hery
 aman-daza,
 Tonga olona ory Hianao
 He ! ry mpanota ..sns.

[V3]
 Tamin'ny dianao nanaovan-
 tsoa,
 Tsy nahalala sasatra Hianao ;
 Fa Hianao tsy nanana tokoa
 'Zay nametrahanao ny lohanao
 He ! ry mpanota ..sns.

[V4]
 Dia nolatsaina sy nalam-
 baraka
 Sy novonoin'olon-dozabe,
 Ka dia maty Hianao Mpanjaka
 Ho fanavotana olo-maro-be
 He ! ry mpanota ..sns.

[V5]
 Ny fasanao nambenan'ny
 mahery,
 Nefa tsy ela tao ny
 Tomponay,
 Velona indray hamonjy
 olom-bery,
 Velon-kanao fifonan-ko anay.
 He ! ry mpanota ..sns.</lyrics>
</song>